Vous êtes içi:  Accueil   Actualités


"Izay mamboly hazo mamelon’aina, izay mamboly hazo mamelona an'i Madagasikara"


Araka ny Velirano faha-10 ao amin'ny Vinan'ny Filoham-pirenena, mikasika ny fambolen-kazo sy fiarovana ny tontolo iainana, dia nanatanteraka fambolen-kazo ny fianakaviamben'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa ny zoma 03 martsa 2023, tao Ampangabe, Kaominina Ambalavao.
Nitarika izany Ramatoa Ministra, Pr. ASSOUMACOU Elia Béatrice ka zanakazo miisa 7131 fototra no novolena tamin'ny velaran-tany 1,65ha izay nifandrimbonan'ny mpiara-miasa rehetra. Voka-pikarohana ireo hazo novolena ireo, izay ahitana zana-kazo zana-tany sy tsy fahita raha tsy eto Madagasikara ary ireo zana-kazo nampidirina, toy ny Milletia Pinata, Baobab Adansonia, Dalbergia t., Jacaranda, Acacia mangium,...
"Nosedraina ireo zana-kazo ireo mba hahazaka ny karazana toe-tany sy toetry ny andro ka tsy mifidy toerana haniriana", hoy ireo tekinisianina. Voafantina sy voaomana avy ao amin'ny ivontoeram-pikarohana Nasionaly momba ny Tontolo iainana na ny CNRE sy ny Foibe Fikarohana Ampiharina amin'ny Fampandrosoana ny Ambanivohitra na FOFIFA, izay samy Ivontoeram-pikarohana eo ambany fiahian'ny Ministera ireo zana-kazo novolena ireo.


Plus